MANDAN'NY FOKO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDAN'NY FOKO

Mandan'ny foko ho ahy, tsy hania
Ilay tokinao re, ry tiako doria
Na ory na manana isika, eto an-tany
Ny voady nataoko ho masina hatrany.

Raha sendra mihaody ny fankam-panahy
Tsy miova famindra aho fa aza manahy
Manomboka eto, ry tiako lalaiko
Ianao irery ihany no tokana an-tsaiko.

Raha toa mibolisatra anefa ny diako
Tsy sitrako izany fa ho fahoriako
Kanefa tsarovy fa tanjoko hatrany
Ny hizara aminao an'izay tena mamy.

Raha sendra solafaka ianao, nofo ihany
Sanatria ny handao amin'zay hiafarany
Satria iray isika, ka miara-marary
Tsy mifankafoy... toa rano sy vary.

Hiova ny taona, hiofo ny bika
Imasoko ianao, toa mainka baliaka
Satria ny fanahy no miaina fitia
Voakolokolo tsy miova doria.

Etsy tantano ny tanako, Lala a!
Fa tsy ahoantsika izay manadala
Madio ilay fitia ka tsy miova loko
Nomenjanahary ka mandan'ny foko.
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
1355 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 13/02/2018 05:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108