You are here: home > Vetso

Mba naminavina ny hoavy n - harylovah

Mba naminavina ny hoavy ny foko
Mba nanembonembona fiainana tony
Mba te hisalotra izay hafa loko
Mba te hanakatra tanjona ambony


De niezaka mafy nanao ny azo atao
Tsy nitsitsy aina sy niaritra nihafy
Nahafoy mihitsy ireo kilalao
Nisedra ny onjan'ireo ady mafy...


Rehefa tomorina anefa ny lasa
Toa  mananihany ny tsikin'ny ampitso
De vahotra teo re ny saiko mikasa
Sahady mihevitra hoe de ho diso


Ka ny azo atao manomboka anio
Miana tsy taitra tsy de be fikasa
Mandinika mora amin'ny fomba madio
fa ho tonga ihany izay nofin'ny lasa


Harylovah

Hametraka hevitra

Midira aloha