MBOLA TIA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIA

Asa raha tsaroanao, lala, irony mamy niainantsika
Fony mbola nibaliaka ilay volam-pahatsorana
Nizaràna teny mamy tamin'ny tarany baliaka
Nankafizintsika koa ny fijojon'izay orana

Saingy asa, hoy aho, Malala, fa nivadika ny tarany
Mikitroka filoko loatra ny tontolo sisa misy
Miombon-droa tsy misy fo no hany sisa mba anarany
Fa nahoana loatra ry aiko, fa nahoana re, indrisy!

Ary moa mahita tory ny eritreritrao maditra
Makamaka fy ery, miondanondana ilay rafiko...?
Izaho sy ny fisainako eto, ory sy mipitrapitra
Miandry ny hiverenanao sady miaritra ny mafiko

Saingy haiko ny mitony sy mandinika ny antony
Sao mba ampy hanitsiako, izay toa sakana nandavo
Mbola antenaiko mantsy fa tsy nofy ilay hakantony
Satria ny foko mbola tia ka isaorako ny avo...

Harylovah 160915
--------
Rohy:
2196 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 20/09/2015 18:17)
Elaela tsy nandalo, dia mizara vetsovetso...Mirary soa ho antsika rehetra e. Eritreritra mandalo ihany io a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 20/09/2015 18:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143