NAMERIN-DESONA IZY (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
[mirary soa sy fahombiazana ho an'izay hanala fanadinana ]

Fa tsy mba toy ny ankizy
Fa naka toerana izy
Namonjy zaridaina
Naminaviana an-tsaina
Nanokatra kahie...
Fa izy iny anie
Hanala fanadinana
Ka satriny hanombinana
Ny ampahana fotoana
Mba tsy ho very foana...
Dia io somokotra_eo
Tsy taitr'izay niseho
Namilivily penina
Dia nimenomenona
Manao tsianjery angaha
Dia tsy miraharaha
'Zay zavatra mandalo...
Fa tsisy atakalon'
Ilay kiriny handresy
Ny sedra mifanesy...
Ka inoako marina
Fa tena ho tafarina
Izy niezaka iny...
Ka aza omena tsiny
Raha nitokan-toeran'izy
Tsy toa ireo Ankizy
Mifaly , milalao
Kanefa kosa izao
Ho afa-panadinana
Rehefa hifaninana...
Izay 'lay herin-tsaina
'Zay ikelezany aina
Fa mila herim-po
Raha te hahita soa...
Dia mazotoa ianao
Hamita 'zay natao
Fa ho avy ilay fotoana
Ho henika_haravoana
Hivaly fifaliana
'Lay ora nihafiana...

–– Harylovah 060112
--------
Rohy:
1772 2
Hevitra mandeha
harylovah ( 25/07/2014 16:00)
Mirary fahombiazana ho anao izay hanala fanadinana, ary enga anie hanatanteraka izany am-pahatoniana ianao..
Nofy2 ( 20/10/2014 13:17)
mahereza mianatra ho an'izay hanao fanadinana amin'ity taona ity,dia mazotoa koa ianao ry harylovah manoratra fa tena tsara!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 25/07/2014 15:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105