Ny fo (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahalala anao ny fo
Fa izy tsy mba fantatrao
Midongy toy ny manan-jo
Hoe azy izao rehetra izao.

Mihantahanta feno kiry
Manonofy zava-poana
Maherisetra fitahiry
Irony lasana tsaroana.

Dia ranitinao ny saina
Mba hisivana ny ditrany
Fa mazàna miala maina
Tojo izato pitrapitrany

Ny aretin'io tsy fantatra
Fa manampoka, mandoro
Misitery sy ankamantatra
Sahisahy, mihorohoro.

Na izany na tsy izany
Safoy hitony rehefa taitra
Tairo koa raha mitomany
Hahay hisedra izay mafaitra.

#Harylovah
--------
Rohy:
1289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108