NY HOE MIFANKATIA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hoe mifankatia:
Miombon-tarigetra ao anaty fitambarana
Miara-droa mamindra, tsy miady filaharana
Miara-mifamatotra, miray am-pahasambarana
Mifankafia fitiavana, iriana tsy hifarana

Ny hoe mifankatia:
Mifampahery am-po rehefa tojo fahakiviana
Mizara lalandava teny mamy am-pitsikiana
Mifanopy maso dia midera ny olon-tiana
Mitady lalandava ny hampanjaka fifaliana

Ny hoe mifankatia:
Miezaka manototra izay fitiavan-tena
Mijoro ho mahatoky dia mitia am-pahendrena
Mifanolo-tanana raha lasa ny harena
Mitana foana hatrany ilay voadi-panekena

Ny hoe mifankatia:
Miombon-tonom-bavaka midera ilay mpamorona
Mahafoy fotoana sy fananana ho sorona
Mino manantena, fa na dia irony vorona
Mahazo fitahiana feno, tsy mba safomorona

Ny hoe mifankatia:
Mampitovy tanjona ho an'izay taranaka
Miombon-tolo-tanana, tsy mahalala lanaka
Tamana an-tokatrano, na ao ,na tsy ao ny fanaka
Dia tsy mifankafoy na dia tsy misy zanaka

Ny hoe mifankatia:
Saro-piaro ihany, fa tsy hoe dia tafahoatra
Na tafintohina aza dia mitony tsy mitroatra
Miara-mifandinika, mifona sy misaotra
Mikolo hatrany koa ilay fitia ho tsara voatra.

Harylovah Febroary 2014.
--------
Rohy:
1719 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 13/02/2014 18:24)
Ny hoe mifankatia :...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149