You are here: home > Vetso

RAHA TE HILAMIN-TSAINA - harylovah

Na ho inona ampamoaka
Savahao ambony, ambany
Tsy mba taitra na mitsoaka
Ny olo-marina hatrany

N'iza n'iza hanevateva
Hikotaba, hivazavaza
Tsy mba mitratrevatreva
'Zay mankamamy 'zay sahaza

Fahavalo ve mandalo
Mandrangaranga vavabasy ?
Tony foana tsy mimalo
Ny olon-tsy mareva-dasy

Ka raha te hilamin-tsaina
Eto an-tany fandalovana
'Zay tena ilaina no kasaina
Hiasa ianao ka tsy ho torovana

Harylovah2014

Hametraka hevitra

Midira aloha