You are here: home > Vetso

REHEFA NY...FITIAVANA - harylovah

Azo vakiana?

Rehefa ny finoana
no vahatra ifaharan'ny saina mbola miady
Na inona midona
Mizotra tsy mba ketraka ny fon'izay mitady

Rehefa ny antenaina
no fatotra mamatotra ny zotonao mikiry
'Zay zavatra ilaina
dia ho azonao trandrahana na firy io na firy

Rehefa ny fitiavana
no tosika manosika amin'zay atao rehetra
dia n'inona finiavana
dia hody fandresena satria tsy manam-petra.

Harylovah[ 2013]
#1Korintianina16and14

Hevitra mandeha

harylovah (27/11/2013 19:02:01)

Miarahaba antsika indray dia mirary soa antsika hazoto amin'izay atao. Misaotra indrindra!

Hametraka hevitra

Midira aloha