You are here: home > Vetso

Sento - harylovah

SENTO

Ny vorona, hono, raha lasa nandao
Tanjona aiza no mba hitodiany ?
Ny senton'ny foko 'zay manina anao
Aiza ny taratra mba hitsikiany ?
  
Fa maizina mantsy ny tany tontolo
Ny lanitro manga, indrisy, nimalo
Namindra ny tongotro, hay bobongolo
'Ty tany nodiaviko : be fahavalo !
  
Nefa mangina ry senton'ny foko
Mahaiza mitraka, fa fiainana izany
Mamokatra inona moa ny toloko ?
Tsy valin'ny tsiky manjary tomany ?
  
Ry senton'ny foko, mangina, mangina !
Ny vorona lasa ho tody ny akany
Ny tiana tsy tana tsy azo tsiniana
Marary ny foko matoa mitomany...

Harylovah [211296]

Hevitra mandeha

hjravs (26/09/2016 15:50:20)

Tsy nanao tsianjery kosa,
fa 'lay kiry niavosa
no nentiny nianarana
mba tsy ho latsaka an-daharana.
Mankasitraka ny mpanoratra fa tsara be.

hjravs (26/09/2016 15:57:48)

Azafady fa diso fipetraka 'lay fanehoan-kevitra, tokony tany amin'lay hoe "Namerin-desona izy" izy io.

harylovah (26/09/2016 17:26:12)

Misaotra, namana , nahafoy fotoana namaky e! Mankasitraka indrindra!

hery (29/09/2016 20:23:42)

Tsara fiafara sa fiononana? :-)

harylovah (05/10/2016 13:34:29)

Azo lazaina koa hoe fiononana e, Mankasitraka !

Hametraka hevitra

Midira aloha