TSOTSOTRA IHANY (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsotra fa mafonja mahalaza ny ao am-po
Ilay fanomezanao, ry tiako sy lalaiko
Izay no hamantarako fa tia tokoa tokoa
Fa tsy ny lokaloka izay tsianjery efa haiko.

Teny mamy kely dia ampy hanambara
Fa fifaliana foana no irianao himamoako
Tsy ilaina angolan-teny na kabary na tantara
F'ianao mamela koa 'zay mety ho fahadisoako.

Mety ho azonao omena ny volana hifaliako
Ny kintana rehetra hisainao mba ho ahy
Fa tsotra fotsiny ihany ny zavatra mba tiako
Ny masonao malefaka mamelana fanahy.

Ka aza dia mikatsaka ny mety ho lafo vidy
Tsy voatery ho izany no atao hoe tena tia
Ny tsotsotra ihany no ametraho ny safidy
Ampio fanahy sy fo dia tsy ho levona doria.

#Harylovah
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1136 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 10/03/2018 05:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102