TSY MAINTSY SEDRAIKO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY SEDRAIKO

Ny fakampanahy tsy maintsy sedraiko
Ny faniriana tsy maintsy mandalo
Fa rehefa mifantoka kosa ny saiko
Mizotra tsy taitra, fa tsy mba mimalo.

Na ho sarotsarotra aza ny dia
Malama tsy hita ny lala-mankany
Raha mahery fisangy ny ditram-pitia
Sanatria ny ho kivy...izorako ihany.

F'ao ambadiky ny eto ilay fitoniana
Toerana kanto , voaomana ho ahy
Mandalo ihany raha izay fahoriana
Mba hiala sasatra koa ny fanahy.

Dia ho zava-niserana ireny taloha
Nandoro ny foko, naditra tsy laitra
Matory kely aho, avy eo indray mifoha
Miaritra kely, tsy maintsy ho taitra.

Fa tsy maintsy tohizana izay nokasaina
Mizotra miaina ny fiainana ihany
Mazoto mamita izay nantenaina
Mifaly amin'ny kely ananana hatrany.

Ka na inona sedra tsy maintsy mandalo
Itsikitsikio amin'ny fanantenana
Tsy avela mandresy raha izay fahavalo
Na mora, na sarotra ny lalan-kombana.
--------
Rohy:
1414 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 29/01/2018 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106