FAHAFAHANA (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHAFAHANA

Atao inona fahafahana raha jerena indray mitopy
Raha mbola ao ny mosarena, misy anefa maty voky
Atao inona fahafahana izay dradraina eny foana
Raha miakatra ny vidim-bary, fa fahafahana ho noana?

Atao inona fahafahana raha mbola misy ny mijaly
Misy nefa antokon'olona, feno harena eny faly
Atao inona fahafahana, raha mbola misy ny voafonja
Nangalatra izy, eny nefa dia vary iraiventy monja

Atao inona fahafahana, raha mbola misy mitoreo
Manjoretra, malahelo, mitaraina hoe vonjeo
Zary angano, toa tantara, toa nofinofy no ifaharany
Ireo vahoaka feno jaly, ... politika ny tantarany

Atao inona, fahafahana, zary eso angamba sisa
Eo ambava toa mamy, nofinofy paradisa
Nefa raha jerena ka atao indray mitopy maso
Dia miafin'endrika toa geja, eny ngidy, jaly, miampy ankaso.
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
4716 0
Hevitra mandeha
lapino ( 17/03/2006 02:00)
Aleo izany ve voazanaka
Hiankohoka amin'ireo vazaha
An-tanàna sy an-tsaha
Ho toy ny olom-boaozona
Manao asa an-terivozona
Tsy ahazoana tombontsoa
Nanota inona anefa moa?

Toy izay olon'afaka
Samy tompon'ny fiainany
Malalaka amin'ny fisainany
Afa-mifidy izay hafafy
Fakàna aina sy asa mafy
Anao daholo izay vokatra
Fa tsisy hafa 'ndeh hisompatra

Fa ny fahafahan'ny taranaka
Niaretana ady sy hirifiry
Nitoloran-tena ho martiry
Maro ny ra izay nikoriana
Sarobidy no novidiana
Afaka isika fa notiavina
Izay tsy hotsinontsinoavina
hasiniony ( 29/03/2006 05:29)
lapino, hi hi "Tapitra hatreo amin'ny fanombohan'ny fahafahan'ny hafa ny fahafahako"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 15/03/2006 07:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173