You are here: home > Vetso

Ny haisoratra? - HASINIONY

NY HAISORATRA ?

Fototra iray maha kanto ny Haisoratra,
Ny fahaizana mandrindra ny loko sy ny sary
Zanaky ny misy ireny ka tsy maintsy aboraka
Ritsohin'ny natiora sy ny bitsiky ny Voary...

Ireny indrindra no mivoy sy mamelona azy hiaina,
Voavoatra an-telenta mba haniry sy hamaka
Hampiontana fanahy sy hanintona ny saina
Ilay harena saro-bidy idealy tsy ambaka...

Indrindry anefa ankehitriny fa ilay an-tàna naha mamba,
Ritra, Pendana, Makiana! Tsy ho azon'iza amafazana
Ka ilay fivetin'ny mpanoratra no nanjary tsy ampy, banga
Toy ny angano, hain-teny, ka aiza indray no hiririavana ?

Ireo hanitry ny tsiahy bainga azo avadibadika,
Dia ho tantara sisa ny fisiany ao an-tsaina
Hapangain'ny mbola ho avy an'endrika mivaloharika
Ho potraka ny Haisoratra, saozanina tsy hiaina ...

Hasiniony: "Ny Haisoratra: mamelona, manafaka...",  
                  Aza avela hikororosy fahana !

Sokajy : ahy, manokana

Hametraka hevitra

Midira aloha