Tsela-nofy (HASINIONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsitaikan'orambaratra ao an-tafotrano
Mandrotsy anao hanjohy ny bitsiky ny tory
Ny kotroka any ho any mitaona hilomano
Anaty tsela-nofy tsy takatrao akory
...mierotra sahady!
Ny fony toa mifoha misangy ny malalany
Indreny fa mihazo an'Ambohipitiavana
Ireo lemaka sy havoana 'zay ivom-pahasambarany
Nandanaka ny fony ilomanosan'Avana
...niofo ho nofy ratsy!
Fa iny havany iny nandao an-tsokosoko
Niambozona sahady ny vakan'ny tsy anjara
Ka any anatiny any izy no mifokofoko
Kotsan'orambaratra izato farafara!
...honjohonjo irery!
Saingy any ho any anefa, ambadika any ho any,
Fanahy izay tsy fantany, miisa an'alinalina
Mitsiky toa azy, mijaly toy ny fony, mitia sy mitomany
No mbola manan-tena ny volam-penomanana!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1412 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
kiriah ( 19/12/2012 00:20)
tsara!
hasiniony ( 19/12/2012 05:23)
miezaka mikalo anaty orambaratra;...sao mba afaka mialoka any ho any
ny fo 'zay kotsakotsa! (mels6 Kiriah)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 18/12/2012 20:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146