IZAHO SY FANJA (has'n kwel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ety am-piandohana dia ambarako aloa
fa tantarako no miseho, tantaranay roa
izaho no hasina, fanja ilay tiko
ny hiarahanay mandrakizay ny ahy hany tokana iriko
.
tiko fanja, eny tsy foiko sady mamiko
nanampy ahy hanakatra iry lanitro
izy ilay tia ahy, tsy namela ahy ho irery
ka ny foko tsy omby an'iza intsony afa tsy izy irery
.
saingy indrisy hoy aho, indrisy ry hasina kely
aty an-tany lavitra ialahy ity ka manirery
manina irery, manin' olo-tiana
ry foko o! tonia, mangina re mangina
.
any ianao ry fanja, ilay anjelikeliko
ilay nofy anaty alina, sariaka mameno eritreritro
lay anjara nofinidiko, safidy anatin' ny maro
tiko ianao ho ahy irery, amin'ny andro sisako eto an-tany
.
satry akia ry fanja, hifanositosy hiara hafana
hifanjohy toy ny sasany, mifampitantana eran'ny tanana
fa saingy indrisy, indrisy hoy aho
tsy mba afaka isika, tsy afaka hiara hilalao (hitohy......)
--------
Rohy:
1115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : has'n kwel
Nampiditra : mandresy1
Daty : 30/07/2016 10:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097