NAHOANA LOATRA?!? (has'n kwel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana, fa dia nahoana laotra ary
ny fiainam-pitiavako no toa tsizarizary?
toa rakofan-drahona, raho-manify
tsy ahy ny safidy, fa ny anjarako mihafy
.
malala a! any ianao lavitra ahy
lavitry ny maso fotsiny ihany fa akaiky ny foko sy fanahy
anaty eritreritro, voabinanjiko lalan-dava
anatiko alahelo fa fotsiny mitsiky ny tava
.
Ranomaso sisa ny ahy no tsy latsaka
raha iny aho maheno anao fa malaelo
tsy misy mantsy ny azoko atao...
nefa tena tiako ianao
.
lasa ny saiko mandika izany
dia ho toy izany foana ve ny fiainako eto an-tany
nefa ry malala, omeko anao ny toky
fa tsy maintsy ho avy izaho...
.
mamiko ianao, eny koa tsy foiko
ary sahirana ny saiko, mizara roa ny foko
ny fitadiavana tsy maintsy atao ianao tsy azo adinoina
fa averiko ihany, anao aho pahatonga ilay fotoana
.
--------
Rohy:
1327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : has'n kwel
Nampiditra : mandresy1
Daty : 30/07/2016 10:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01