You are here: home > Vetso

Ilay any ananonanona any - Hatenaina

Ilay any ananonanona any
Ilay tokako eto an-tany
Ilay any ambadika any ho any
Ilay ato am-poko hatrany hatrany
Iza ary izy raha hainao?
Ambarao raha fantatrao?
Tena tia manompo
Izy anie ka dia mazoto
Falifaly lalandava
Miramiran-tava
Tia mijery lafy tsara
Tena tia mandray anjara
Izy anie ka mahafoy tena
An-tsitra-po fa tsy terena
Vonona ny hiaritra
Sy hiatrika ny sarotra
Izy anie ka tsy mba miala
Na hafanana io na fanala
Na tamin'ny mora na ny sarotra
Dia nankato tsy niady varotra
Tena tia ny fandaminana
Ny sakafo omeny ataony fihinana
Jehovah anie no tena namany
Hilazany izay tantarany
Indraindray izy mba misento
Nefa aloha hatreto
Io izy fa mijoro
Tsy manaiky ho toro
Ary mbola tapa-kevitra
Ny tsy hiova hevitra
Fa hoe ho mandrakizay
Ny fifandraisany amin'ny Ray
Ilay Rainy mantsy dia i Jehovah
Ilay tia azy tsy mba miova
Eo foana izy hampahery
Manara-maso sy mijery
Mahatsapa izay manjo
Sy ireo fery lalina ao am-po
Mihevitra azy ho diamondra
Amin'izao fitia mafonja
Fa Satana raha manao tetika
Hahavy azy hilentika
Dia voafetaka injato
Misesisesy tsy ankiato
Ka moa ve hainao tsara?
Tsy iza akory io fa i ...

Sokajy : Namana

Mombamomba

Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 20/09/2018
Mpamangy : 110
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tsy haiko intsony
Lasa ny saiko

Hametraka hevitra

Midira aloha