You are here: home > Vetso

Iza moa ianao? - Hatenaina

Fa iza moa ianao iny
No sahy mandevilevy ahy?
Mba lazao ny marina
Moa avelo sa fanahy?
Fa toa mahasahy mijoro
Hampienjera sy handringana
Toa vato hanorotoro
Handavo sy hamingana
Iza marina àry ianao
Fa tsy fantatro mazava
Iza? mba lazao
Ary afaho ny saron-tava
Fa miseho ho vatolampy
Manakana ny diako
Miseho ho manaratsy
Ny lalam-paladiako
Fa iza marina àry ianao
Fa mba tiako hofantarina
Moa ho sakaiza hilalao
Sa fahavalo mila hanarina?

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha