Lasa ny saiko (Hatenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitanao ireny fody ireny?
Ireo misidintsidina eny ho eny
Varidimiventy hono no vidin'ny roa
Dia raha mividy efatra mahazo kadoa
Fa ireny hono raha latsaka amin'ny tany
Dia hita avy any an-danitra any
Hitany ny trace nianjerany
Na midadasika be aza ny tany
Fa ireny hono tena sarobidy
Amin'azy ireny tsy voavidy
Fa isika indray
Raha ny hevitry ny Ray
Dia mihoatra noho ireo fody
Na zovy io na zovy
Ny fody aza tena kely
Fa tsy hadino velively
Mainka moa raha olombelona
Dia iny izy niala nenina
Nanome ilay solovoina
Dia ny zanany novonoina
Aiza moa lehiretsy
Ny volo aza aman'hetsy
Dia voaisany avokoa
Ka zendana ny fo
Ka raha diso ny antenaina
Toa haningotra ny aina
Dia tadidio ombieny ombieny
Fa raha mbola tsy miteny
Ny feonao dia efa reny
Hitany eny alavitra eny
Dia hositraniny iny avy eo
Ataony toa tsy teo
Fa raha iny ianao mbe mitomany
Dia safosafoiny avy hatrany
Dia ataony azon-torimaso
Dia tsy mahatsapa intsony ny ankaso
Sady hoy izy hoe matoria
Dia izaho koa hanao hoe:"Bn8"
--------
Rohy:
892 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hatenaina
Nampiditra : Hatenaina
Daty : 20/09/2018 13:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012