You are here: home > Vetso

Sambatra - Hatenaina

Sambatra izay manana an'i Jehovah ho mpiaro
Sambatra izay manana an'i Satana ho fahavalo
Sambatra izay kivy ka tsy mba mimalo
Sambatra izay manota kanefa mivalo

Sambatra izay midera an'i Jehovah amin'ny kalo
Sady miangavy azy hoe mba "tantano"
Dia tsy mino ny baiboly ho angano
Ka tsy mamarotra azy na manakalo

Sambatra izay tsy mahatsiaro ny fahiny
Sambatra izay miaina ny ankehitriny
Sambatra izay mandeha tsy misy tsiny
Eny,sambatra izay manndeha amin' iny làlana iny

Sambatra izay mandeha amin'ny làla-mahitsy
Sambatra izay ory ka mahavita mitsiky
Sambatra izay namana tsy mba mitsitsy
Tsora-kazo sy teny hoenti-manitsy

Sambatra izay efa nanompo hatry ny ela
Sambatra izay manompo ao amin'ny Betela
Eny, fa tena sambatra alin-kisa
Izay voaantso hanao "SMIF"


(12/05/19)








Sokajy : Fifaliana

Hametraka hevitra

Midira aloha