You are here: home > Vetso

Tsy haiko intsony - Hatenaina

Ny saiko ve no voa
Sa ny olona moa
No manao tandrevaka
Sy mametrapetra?

Ny fo ve no malazo
No izao no mahazo
Sa ny olona no manondrana
Sy mivadik'ondana?

Ny tena ve malemy
Sa hoe tsy anjely
Ka araraotina
Sy heverina ho tsy maotina?

Izaho ve no adala
Ka minia tsy mahalala
Sa ny olona no fatsora
Sy mitady hamely mora?

Ny finoako ve tsy mafy
Ka mitady tsy hahatanty
Sa ny olona no olana
Sy tia miolanolana?

Izaho ve be ranomaso
Sy mora matsatso
Sa ny olona no be lazao
Sy mahita atao?

Izaho ve no kanosa
Sa ny olona kosa
No mampanantena poakaty
Ka mampaharary ny any anaty?


Mombamomba

Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 11/10/2018
Mpamangy : 139
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ilay any ananonanona any
Lasa ny saiko

Hametraka hevitra

Midira aloha