You are here: home > Vetso

Tsy ianao no dokoterako - Hatenaina

Nataoko ho ianao ilay raozy manitra
Malefaka sy mahafinaritra
Hanakombona ny feriko
Sy hampiverina ny heriko

Nataoko ho ianao ilay raozy manitra
Natolotr'Andriamanitra
Hanafosafo izany aretiko
Sy hanamamy ny ngidy izay nateliko

Nataoko ho ianao ilay raozy iray mivelatra
Hanampy ahy ho hary elatra
Sy hanasitrana ilay ratra
Izay efa tena lali-paka

Eny,nataoko ho ianao ilay fanafody
Hanampy ahy ho tafody
Saingy indrisy nanenenako
Fa tsy ianao no dokoterako!

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha