fitia mifandefitra (herit mick)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indray andro izay
Nisy sipa anakiray
Tena manja aoka izany
Sendra hitako tany ho any
Dia i Lanto izany.


Izaho anefa efa manana olontiana
Ka dia nijoboka t@ fandrafiana
Lasa nitia anankiroa
Mba hoe hitady tombotsoa,
Kanefa dia nankarary Fo ...


Izaho sy i Rindra
Efa niaraka hatry ny ela
kanefa ilay fitia toa nafindra
Ka kely sisa no tavela
Fa niodina ny sera...


Nandeha nampiaraka aho sy Lanto
Lay sipa iray tena kanto,
Tery ambody sipresy,
Orokoroka nisesy
Tao ambadiky ny fefy.


Tsara saingy indrisy,
Nahitanay i Lisy,
Ka niteny tamin'i Rindra
Ilay tena namany idrindra
Ny amin'ilay fitiavana nafindra...


Tampoka tel àry,
Izahay sady azo sary,
no tonga ilay malalako,
noesoriko ny tanako,
No sady vahotra ny vavako...!


I Lanto nanontany
Ny aminay sy i Rindra,
I Rindra kosa nitomany,
hoe namadika ilay singany,
Mba niriny teto antany...


Tsy nahateny intsony ny tena,
Fa nody nahonena,
Fa tratra nampirafy,
sady nangasihasy,
No nihevitra ho voagafy...


I Lanto kosa vao nahalala
Dia niriotra tsy tana,
Fa nisafaokam-pahatezerana.
Izaho kosa nanao ny fanenenana
Tany an-tsaiko mba hiverenany...


Izaho sy i Rindra sisa teo,
Izy nilaza tamiko hoe "leo",
Saika ho raisiko ny tanany,
dia nahifiny ho toy ny biby,
Eny, tena tsapako ho nangidy...


Tena niezaka nifona aho,
Mbola te haka ny fony aho,
Izy kosa tsy niteny,
Fa toy ny efa very,
anaty ala, nanirery...


-Ry malalako tsy foiko,
Mahatsapa tena aho fa naloto,
Mifona, mangataka aminao,
Omeo ahy ny fonao.
-Sssh! " ny fitia tsy kilalao" (hoy Izy)


Niezaka aho nanambitamby,
niandry foana, tena niandry,
fa mbola tiako i Rindra,
Ilay voalohany indrindra
Kanefa dia nafindra...!


Teo aloha dia lasa nody Izy.
Tena tsapako nangidy
Ny nieritreritre ny hoe:
"I Rindra! mbola ho tia ahy vé???".


Lasa nody i Rindra,
Izaho kosa naka saina
Sy resin'hakiviana
no sady nalaina
toa mila bataina...!


Afaka ora roa,
Raha mbola naharary iny ny andoha
Dia tapa-kevitra ny handeha,
Ho any antrano nahabe
Fa tena vizaka be...!


I Rindra ity kay,
Ilay tezitra, nikolay,
dia niandry ahy taoantsimo tao.
Sady faly aho no nitalaho,
" Mifona e, mivalo aminao".


Izy tsapako nangoraka,
Ny endriny nivoaka soratra,
Hoe tia ahy
Saingy mbola mampanahy,
soa ihany A/tra mitahy!!!


- Hery a! mbola tiko ianao
- Rindra! zany vé! (manahy)
- Ianao nitalaho
Matokisa rée
-Tena marina vé!!??


Nomeko toky Izy,
Mba tsy ho kivy,
Fa tsy hataoko intsony ireny.
Ny tsikiny, ny masony nijery,
no nahatsapako idray f'izaho tsy irery.


Toa natanjaka vetivety teo
Ireo fon'olon-droa saika leo,
Ireo fo natambatra ho iray
Fa nitohy ny aminay.


" Toa sitrana ihany koa
Ny aretin'andoha
Fa hay mety miova fo
I Hery nampirafy taloha".
Hoy i Rindra
Niteny kingakinga.!


Tsiky no niafarany
Fa hay nitohy ihany
koa dia norohako Izy
Ilay Tiako, ilay Safidy,
Ilay Mamiko, tsy hamidy...


Ny tiako hampitaina
Aza mampirafy
Sao hangasiasy
Ka harary fo,
Raha sendra votsi-droa


Herit Mick
(13 Août 2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1470 1
Mpakafy: heri't mick
Hevitra mandeha
heri't mick ( 17/08/2017 08:18)
mametraha #j_aime Raha tianao ilay Izy e.
merci ô
niyaridan06 ( 18/08/2017 13:08)
tsara lay hevitra fonosin'ny tononkalonao sy hafatra tianao ampita fa jereo kosa lay akanton'ny asa soratra somary asiana teny na sarin-teny kanto iany le izy;izany hoe mitady teny izay tsy faheno loatra no mba ampiasaina.Misaotra fatsara le asa-soratra tohizo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : herit mick
Nampiditra : heri't mick
Daty : 17/08/2017 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138