Tandremo ry zandry (heritreritro)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Somary sorena indray aho ry zandry
Nanoratra ity « inspiraka » ity
Indraindray koa mba valaka mantsy ny sandry
Dia izao 'lay mahatonga ny bandy hana-py !!

Ilay kôzy tsy niova fa kôpy ihany ialahy
Ny ao am-bovo ry zandry no mampiahiahy
Fotoana hoatr’izao ilay maha saina tonga
Kay ny fanambadiana ‘lty tsy somonga !

Nefa aza afangaro fa tsy hoe manenina
Sady iza moa lesy no tsy hipenimpenina
Rehefa mitady izay mahasoa ny ankizy
Ny papozy ry zandry revena foana izy !

Fa ny tena mandreraka lesy ry zandry
Dia 'ty jôba kizitina tsy mba mahandry
Tsy misy handaminan’lah kôzy izany
Ny azy ny sôsy sy pôziny ihany !!

Tandremo ry zandry fa mpam’s ireny
Asio dia hialao hoy ny fomba fiteny
F’izay nefa avy eo no hangejainy an’ialahy !
Ka tandremo mafy sao tratra hoatr’ahy !

Izay fa okay e!!
Reveo milay !
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
2399 1
Hevitra mandeha
badoul ( 27/04/2012 06:28)
milay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101