Ilay Fitiavako anao (j)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nafoko ny faha-zazako
Fon'ny izao naitanao
Ny akotrizay tsy no zahako
Fa nanome toky fa anajanao

Tsy mba nampirafy
Fa mba niezaka niafy
Ny tsiriritra no azo atao
Fa fadina ny miteny oe tiko ianao

Nafoko ho anao daholo
Ny amiko rehetra
Ilay fitia tsy oe mandalo
Ka sanatry raha misy fetra

Fa fitia mandrakizay
No miraikitra ato anaty
Ka ny fo tsika mba ho iray
Dia mifamatotra tsy maty.


RASAMBANJOHARY
HERY SITRAKA.
--------
Rohy:
2548 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : j
Nampiditra : nambintso
Daty : 28/09/2015 13:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106