5/5 (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
5/5
(setrin'ilay tononkalon'i "harylovah" "Namerin-desona izy")
Misaotra r'ankizy
fa faly 'zay tsy izy
'zao i Dada sy i Neny:
Notoavinareo ireny hafany ireny
ka tena tsaroany
ho nandaitra ny hasin'irony tsodrano.
Feno ny fony
matoa ireo masony nanganohano,
tena nankasitrahany
ireo fihezahana-
reo tamin'ny vikina,
tafantsambikina
fefy an-kiray;
ny aorian'iny indray...
Zato metatra lala-mahitsy amin'izay.
Fa ity no aza adino:
Miandrandrà ny lanitra,
satria izay mino
dia ampian'Andriamanitra.
Ny sisa hambarako dia firariana:
Tafità amin'ny avo e! Ho tody soa amin'ny tanjony irina.
hjravs
--------
Rohy:
1333 1
Mpakafy: fenohasimpitia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152