ALEOKO (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO...
Raha hiray latabatra
amin'ny olona ahiana
fa hamorika ahy.

Na hiara-hivalapatra,
hiray fandriana
amin'ny ratsy fanahy,

dia aleoko ho noana,
mihafihafy foana
fa milamin-tsaina;

aleoko ihany
miladina an-tany
tsy mitaintaina.

Raha hamitram-pihavanana
amin'ny olona izay
tsy dia madio fo;

Na ka ilay finamanana
mampiahiahy
amin'ny lefona ivoho,

Dia aleoko singany
mba tsy hovoafingana
raha lasa aloha;


aleoko irery
kanefa tsy very
fa ho tody soa!

hjravs (kanto arindra)
--------
Rohy:
1817 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142