IZAY HIRA IZAY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY HIRA IZAY (tohin'ny "Hira ho anao")
- ilay tovovavy -

ô Retsy e! avia ange indry
dia henoy 'ty hira 'ty e!
........
izay hira izay akia,
'lay hiran'ny fitia
'zay mamiko ery.
Rehefa hariva toy izao eto antsimon-tranonay
misy bandy anankiray
mivazo an'izy 'zay.
Ny ritsoka gitara sy ny angolan-drotsiny,
retsy 'ty, dia aoka fotsiny.
Sondriana dia sondriana
aho alohan'ny hatoriana
manaraka tsimora
no sady miangola
ny feo faharoa
amim-pientanam-po...
ary tsy hitahita akory
dia mikimpy resin-tory,
ka anaty nofy mamy
injany mbola reko hatrany
'lay feo mandrotsirotsiny,
Edrey, dia aoka fotsiny!

F'indray hariva izay
namiravira ahy
ny fahoriam-panahy.
Tsy tafandry mandry
aho, niandry ka niandry
'lay kalokalo mamiko
mba hanony ity tomaniko.
Kanefa dia indrisy,
nitambatra mihitsy
ho'a ny fahavoazako...
Tsy tonga teo nivazo, 'lay mpihira iray malazako.

...Ary hatramin'iny tsy reko intsony, intsony
lay vazo mpampitony.
Nahoana loatra, ary
sao mba sanatria narary?!
Sa nifindra lasy ve fa noteren'ny zava-misy...
Sao kosa re, indrisy,
fa tojo ny olon-tiany
sy efa nofidiany
'lay fony manirery
hany ka voatery
natsahany ny vazony
fa variana izy mikolo 'lay saham-boninkazony?!

Misento, oriory
aho rehefa 'ndeha hatory;
sorena sy onena
tsy mba afaka hanantena
olona handrotsy
anatin'ny alim-potsy;
Fa 'lay nofi-ratsy entin'ny misasakalina,
retsy 'ty, no tena lalina...
Ela vao maraina
ka mampiferin'aina.

Fa omaly hariva aho, raha nivavaka mangina
mba hangatam-pitahiana
sy hitady fitoniana,
dia tamin'izay indrindra, angamba valim-bavaka
fa henoko niavaka
ritsoka gitara
narahim-peom-parara.
Nanongilana ny sofiko:
Ô! Tsy nofinofiko
f'injany any ho any
'lay feo mandrotsirotsiny
Edrey dia aoka fotsiny.

Poa tahak'izay aho dia efa any an-tokontany
hizaha an'izy 'zany.
Dia indro io, eo tokoa, io eo 'lay tovolahy
mpandrotsirotsy ahy...

Nohatoniko t'anilany
dia narahiko ny hirany,
k'injany vazo iray
no nanakanaka-danitra
hanaitra an'Andriamanitra
hitazana anay.
Eny ho'a! 'zay hira izay
no tena nampiray
fanahy nifampitady,
nifampivoady fa hivady.
hjravs (kanto arindra)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1753 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161