LELA, ho'a, VAO TANANA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LELA, ho'a, VAO TANANA

Eny ho eny;
any ho any
misy zara roa tsy mira, mitady tanana hanamarina ;
misy mizana tsindrian'ila, miandry tanana hanarina.
Saingy ireny
ho any hatrany.
Satria voatefy mba hivilana ny lelan'antsy fizarana;
Satria voarefy hitongilana ny ilan-delan'ny mizana.

...ie, ny "tanana mahitsy", tsy lavina, azo ampiasaina.
Fa ny "lela marina", mihitsy, no aleo tadiavina f'ilaina.

hjravs
--------
Rohy:
1442 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104