MATORIA AMIN'ZAY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATORIA AMIN'ZAY

Rehefa ny fo,
no indro mamoha,
ny vavahadin'ny lasa hahatsiahy ny taloha,
dia manao tsy omby aloha
hibosesika koa
'reo tsiaro nandalo
efa nihalohalo,
tsy mety ho voahidy
ny retsi-tadidy
fa mamaky hidim-bala
midongy tsy hiala
manao angaredona
hiara-hiredona
'reo kalo fahiny
fandrotsirotsiany.

Na 'lay hira anikeheo,
na ny hosodokon'ireo
zavaboahary
'ndray mamoha ireo sary
efa tsara tahiry
ary indreo fa mikiry
hotopazana indray
'zay nisy hatrizay:
'lay oroka kely 'zay solon'ny teny
mba ho fanekeny
ny hata-pitia,
fy, tena fy
fa ahatsapana ny tsiron'ny tiana mitia,
'lay tambitambiny indray sabotsy
'zay nandrotsirotsy,
'lay avy nivavaka indray alahady
kanefa niady,
'lay voalohany niasa ka mba notsenainy
'ndray alatsinainy,
'lay alin'ny talata hifoha alarobia
nimamoana fitia,
'lay ndray alakamisy nifanao fotoana
fa tsy tafahaona,
'lay nanala azy indray Zoma
nendahan-jiolahy.....

...He sahady 'ty maso fa manganohano
d'indreo voton-drano
malaky akimpio,
ampy aloha 'zay ny anio
fa rahampitso indray....
Matoria amin'izay!!

Hj Ravs
--------
Rohy:
1431 3
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 30/03/2015 04:51)
Fito andro tao anaty herinandro, tsara ka! mahay 'nareo an!
hjravs ( 30/03/2015 06:07)
misaotra e! manoratra fa tsy hoe mahay!
arisoacool ( 11/06/2015 17:40)
ampy tsara ny herinandro. tena tsara ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147