MBA... SARY FARANY§ (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA... SARY FARANY
(tohin'ny "Modia lesy e")

Allô! Malala a!
Mitomany i Kalasoa
ka tsy haiko mampangina
sy tsy mety hampatoriana
ary i Naivokely koa
lasa manditsaka ampandriana
angamba tsy dia fanahy iniana
fa noho izy miasa loha
amin'ny tsy fahitana anao
ka raha azonao atao,
rehefa mba nanaram-po,
Mba modia indray aloha!

Malala a!
Ny ahy ange ho vita ihany
fa ny amin'izy dahy
no mahavalaketraka ahy
I Soa tsy sasa-manontany
fahanan-dainga tsy hanahy
i Naivo indray dia sahisahy
Aninkeheo izy 'zao nankany
hoe andeha hitady anao,
tsy nody raha tsy vao izao
Manahy mihitsy aho amin'izany,
Koa mba modia aloha androany!

Allô! Malala a!
Izaho 'zany, ange, marary,
tsy haiko mihitsy izay mahavoa,
Asa, angamba, aretim-po,
zara raha mahahinam-bary,
vao iray sotro dia mandoa
'lay dokotera aza moa,
very hevitra ary zary
tsy hitany 'zay teny ambarany
fa raha ho atomotra ny farany,
dia mirary aho ka mirary
Mba eo an-tratranao no ho azo sary!

( hitohy....)
Hjravs

"Tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriko ry Tompo,
Fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako!"
(Ny ainga - Ankiniko)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1587 2
Mpakafy: DotMG - tslem
Hevitra mandeha
zoana15 ( 01/06/2015 11:22)
Mpanoratra matihanina mihintsy ianao, manana aingam-panahy tena matihanina koa! maniry mba hamaky ny boky nosoratanao
hjravs ( 03/06/2015 09:24)
Misaotra (arak'ilay tononkalonao) Zoana15, tsy matihanina fa mba miezaka mizara, ny @ le boky, vitsy ny natao t@ ireo amboara roa efa nivoaka (2010) ka lany h@ tahiriko, fa mamporisika
hanatonta vaovao 'lay fanirianao, mandram-piandry izay (tsy ela), aleo, aloha, mifampizara eto amin'ity sehatra ity e!
andry 1000 ( 04/06/2015 04:30)
za manana ny bokin'i hjravs io fa nindramin'olona le izy de tsy naveriny intsony e!! mba teneno r'ingahy refa mba mivoaka ny boky antotanao fa tena tsara be le izy a!
zoana15 ( 04/06/2015 13:34)
Miandry e, mirary soa!
arisoacool ( 19/04/2016 16:05)
za koa miandry le boky e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114