Mianara Kabary! (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANARA KABARY

Ny masonao mipitrapitra, endrey 'zato izy baribary,
te-handaha-teny ianao fa tsy mahavoa kabary,
ny lela no avadibadika, ny totohondry sasatra avonkona,
manan-kevitra hovoizina saingy tsy mahita atokona,
'ndeha ary,
hampianarina kabary!...

Ny mangina volamena, ekeko, aloha, ny amin'iny
fa rah' tsy maintsy hiloa-bava, miarahaba, avy eo dia miala tsiny...
fa ny fahaizana miresaka dia taratry ny fahendrena;
ny fahendrena, hoy ny Ntaolo, ambony noho ny volamena:
'ndeha ary,
mba hianatra kabary!!

Miambakavaka ianao miresaka, nefa manan-kolazaina,
sahirana mitady teny hahalaza ny ao an-tsaina...
ity re, misy soson-kevitra, mety hahavaha ny olana:
"Mianara hain-teny, mitadiava ohabolana!!!"
'Ndeha ary,
mba hianatra kabary!

hjravs
--------
Rohy:
1964 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0826