Tena Namana (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena namana!

Tena faly aho androany
fa hitako ihany,
'lay namana iray,
tena mahatoky ahy,
ilay olona tsotra sy tsara fanahy,
ilay sahisahy,
miady ho an'ny rariny
sy ny saritsarin'
ny fanambakana
sy ny tsy ara-dalàna,
'lay mampitsiky ao anatin'ny sarotra,
'lay tsy maka lagy, tsy tia adi-varotra,
'lay mpamalifaly ny olon-drehetra,
manampy, mitsetra
'reo ory tsy manana,
sy liam-pihavanana,
ary eto dia tena hananganako tanana,
fa raha mbola namana
hatramin'izao:
tsy misy ohatra anao!

hjravs
--------
Rohy:
3686 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121