Todin'ny lasa (Hr)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
https://www.youtube.com/watch?v=3SFZd8338AA


Tsy hoe izaho mifaly alahelo
'Zay lalovan'ny fonao maditra,
Fa saino ary koa mba hevero,
'Zao ny valin'ny teto efa vita.

Tsy hoe mitsiky mijery anao voa,
Voafitaka an-tany malama,
Fa na iza mamitaka fo,
Tsy maintsy izy mbola hialana.

Fandalovany ianao tao antsainy,
F'io rafinao io tena tiany,
Nateliny aloha 'zay nilainy,
Rehefa izay...ianao nariany.

Dia saino ary koa tadidio,
'Lay rivo-nafafy tety,
Izao ianao no mijinja tadio,
Sendra 'zay fo mody tia.

Koa aza be alahelo rahavako,
Toy izao no nataonao ny foko,
Misy tody ny ngidin'ny lasako,
Tonga izy na tsy nantsoiko.

(Hr)

in Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1206 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hr
Nampiditra : socrateHr
Daty : 16/03/2017 08:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107