Raha... (Iaho)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tojo fitsapana,
Izato fo mangasihasy
Aza kivy, mitsangana
Mitsikia fa Malagasy
Mahazaka izany miafy.

Raha tojo alahelo,
Izato fo mamelovelo
Aza kivy, antenao
Ilay maraina vaovao:
Ho ahy, ho anao.

Raha tojo hakiviana,
Ketraka eo ampanantenana
Tsarovy lalandava, f'any ananona any,
Misy ny miaritra ny mafy noho ianao.
Ka atrakao izato loha
MITSANGANA, MANDEHANA
--------
Rohy:
1419 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
mpiserasera ( 27/08/2009 17:58)
fa sarotra manantanteraka an'izay an !Tsy vitan'olon-drery fa mila hery avy ao ambony ao !:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iaho
Nampiditra : Aingankalo
Daty : 27/08/2009 10:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137