Sarangam-pitia (Daz'art Tolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tia fa tsy tiana
Ny mitia tsy raharahina
Ao ny tiavina fa tsy mijery
Be koa ny mitia irery

Any indray ireo mpifankatia
Zay tsy navela hiaradia
Tsy nohon'ny antony ahoana
Fa mbola kely tsy ampy taona

Fa misy tia mifankatia
tsy tafaraka satria
nohon'ny fombafoman-tany:
saranga ambony sy ambany

eny misy ireo mpifankatia
te-hiara-dia ho doria
nefa niondrika mangina
noho ilay karazana, fiaviana

27/01/16 22:06
--------
Rohy:
1261 1
Mpakafy: elieproch5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daz'art Tolotra
Nampiditra : Iarindria
Daty : 08/02/2016 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016