" ADALA KAMBONY!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KAMBONY!

Malala a!,

Adala kambony iny!
Mody atao hoe tiaviko...
Mody atao hoe tiko,
Saingy tsy izy no tadiaviko....

Noheveriko hitovy
Sy ho mira lenta anao
Ny fitiavana koboniny.....
Tiako ho sangisangy
Sy ho kilalaoko ihany, anefa
Ny fitiavana hatolony.....

Raha ny marina Malala a!
Ianao no "lafatra" amiko....
F'ilay solonao???
"Kilalao hindramina
Sy fandaniako ny androko"
Rehefa lavitra ahy ianao!.

Fa:
"ADALA KAMBONY INY!".
Mitady hidongy toerana
Kanefa nge tsy tiako e!,
Ialahy no fanamperana!.

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Mody adala! - Fitiavana
1255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138