" AROVINAO RY RAY !" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AROVINAO RY RAY

Ilay efitrano keliko izay zary babangoana,
Ilay fo nampandeferiko nandritran'ny fotoana,
Ilay ratram-panesoana nataon'ny mpiara-monina,
No herin'ny finoako mivetso tsy hay tononina.

Ny ngidim-pihafiana manindry ny ao anaty,
Ilay faikam-pahoriana mangeroka tsy tanty,
Ilay ady nitolomana mafana sy mavay,
No tady nitazomanao ny tanako ry Ray.

Ny ngolin'ny hatsiaka nifafy tam'vatana,
Ilay antso niaro kiaka nanetry fisandratana,
Ilay hovitry ny tahotra namely sy nidaroka,
Ireo no lasa apinga ahafahako miaritra.

Tahionao ry Tompo ny tenanay tsy ho resy;
Arovy tsy haloto, tezao ho tsara tefy!.

IaroMalala
"09 May-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1100 0
Hevitra mandeha
Ronsard ( 08/05/2013 15:07)
tohizo fôna e! hitako kanto ny fomba fanoratra sy fanehoan-kevitra!
IaroMalala ( 10/05/2013 06:06)
Misaotra betsaka @firarian-tsoa e! Ny fanohanantsika mpamaky ihany manko no mba ody risika andrasan'ny mpanoratra! Mankasitraka e.
nannie ( 11/05/2013 07:42)
Hendry izany tononkalo izany !
IaroMalala ( 11/05/2013 07:53)
Miarahaba tompoko! misaotra betsaka hatrany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145