" BASTA!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BASTA

Zozoro maniry eny amoron'ny rano
Ka no tsy hifotetaka?...
Ankizy madinika liana angano
Ve moa tsy hipetraka?...

Manga maniry ao anatin'ny hazo
Tsy hipetrahan-domohina?...
Fa raha "kibobo" tsy anaty mangahazo
Dia mbola ho jokoina?...

Raha trondro mitapy eny a-moron-tatatra
Ve moa tsy ho sakaina?...
Fa raha lamba mba tiana no fihinin'olona
Aza iasàna saina!...

Raha Malala mba hendry no naniry elatra
Antsoina atao inona?...
Izy ary 'zany mba manenji-damaody
Manao tsinontsinona!...

Aza siahina fa aleo mba hivoatra e!
Avelao any fa mananihany....
Ianao tsy ronono ka mila mandroatra
Fa mitadiava solony dia:
"BASTA" izany e!...

IaroMalala
"May-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
952 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101