" VAVAKA " (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA!

Ray รด!,

Satria mifafy mafy ny hetrakin'ny ankaso,
Natao ny mba hihafy nefa latsa-dranomaso...
Satria tsy maintsy hamaky ny lalam-pijaliana?
Dia ny hery avy aminao...no sisa mba hiriana!.

Satria tsy maintsy hizotra anaty sahan'ady,
Hiharitra ny mafy, hisedra fahoriana...
Dia mba hampiononinao mba ho zatra izao sahady,
Fa io tsy maintsy aleha na tiana na tsy tiana!.

Satria mitady ho kivy ka miondrika mangiana,
Eo am-pihatrehana ny zavatra tsy tanty...
Ampian'ny fitambesatr'ilay hazofijaliana,
Dia indro fa mitobaka ilay tsiro mahafaty!

Dia izao no angatahiko;
Andian-teny kely ho solom-pivavahako:
"Tolory faherezana...Fa ady tsy an-kitsitsy;
Hisedra ny andrarezina...Ka mila anao mihitsy!".

Amen!

IaroMalala
"May-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1094 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01