FETIM-PIRENENA (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIM-PIRENENA

Andriamanitra ô!,
Fa nahoana nge Ianao
No manao tahaka izao
Amin’ny “andro 26”…..e?

Ny mijaly sy farofy,
Mbola havelanao hijaly…
Ny mpangataka,mangataka
Fa tsy mba afaka mifaly….
F’angaha tsy mety raha ovàna
Ny fenitry ny fari-piainana?
Dia mba atao mitovy lenta
Ny fombafomba sy fisainana?
Fohano hatreo ny be harena
Raha hanitsahana ny ory…
Tafio hEry ireo mahantra
Tsy manendry kely akory
Silasilam-bari-masaka….
Ny vidin-daoka hampidino,
Ny kapoaka koa fohano,
Ny tsy voavidy vola intsony….
Miangavy aho, Tompo ô !
« Ho asasoa ankitsirano !!! »
Fa mahamenatra ahy mafy
Raha amin’ny andro toy izao:
No tsy hitelina , tsy hitafy…
Nefa samy zanakao!.

Ary….
Ny tena mahaory
Sy mahaontsaontsa saina, dia:
Tsy mahatsiaro tena akory
Ireo mpitondra nantenaina
Fa dia manao ampihimamba…
Tsy mampite-hitafy lamba
Fa mampite-hisitri-belona…
Mamporisika ny olona
Hampiseho izay hafenina!.
Ka hitanao ny Malagasy?
Mila hivadika ho satàna…
Mizarazara taratasy ho fandaniana ny lalàna,
Hampanjakaina hono manko
Ny fahambonian’olo-manana…
Ka hifamotika tokoa:
Ny tsiron-kena sy ny ananana
Hifangarika eny ihany….
Tena tsy hitovy “ZO”.
Na ny lanitra aza angamba:
Tsy maintsy mbola hizara roa!.
…Noho ity “FAHALEOVANTENA”
Fety noterena ho fetim-pirenena!
F’angaha tsy mahonena?!

Ny Malalako aza mantsy,
Any an-tany lavitra any….
Tsy haiko raha mba sambatra izy
Na misotro ny tomany…
Tsy fantatro tokoa na mba ahy ihany
Na efa tena niova lasy…
Elaela izy manko izay…Tsy nandefa taratasy!
Nahaleo-tena koa ny fony.
Ka miangavy aho , Tompo ô!,
Aza avela ho farim-peo!
F’efa ela nihafiana sy niangavy nitoreo.
Diovy ny fonay mba ho Andrin-tanindrazana;
Dia…Ny fon’ilay Malalako iny,
Aza avela ho nofo ngazana!.

Dia...
Izay no fiangaviako
Sy mba hany fiady varotro;
Ka aza tezitra amiko,ô ry Tompo be fitia,
Raha maromaro ny famaritro….
Tsy fantatro ,eny, mantsy
Izay hiainana eto an-tany,
Raha toa ka hifampihinana
Sy hifambotry an-tena ihany!...

IaroMalala
“26 Jona 2013”
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
1555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142