" ITY IANAO RY TIANA!..." (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY IANAO RY TIANA...

Oadray lehity e!!
Ity ianao ry tiako
Toa nanjary tiany?...

Ny sandrinao: fihininy;
Ny masonao: banjininy;
Ny molotrao: norohany;
An-tratranao: ny lohany;
Mihanoka hafaliana...
Dray!....'Ty ianao ry tiana!.

Ny angotinao: henoiny;
Ka io ianao fa tony;
Ny tsikinao: valiany;
Tiany ianao ka tiany....
Ianao voasafosafo mamy tena mamy!
Anao mitafotafo 'lay paradisa an-tany!
Eh!....Aleoko dia nangiana.
Fa tena tsy nampoiziko
....Ity ianao ry tiana!.

Fa afo mitsilopy moa no teny an-tanako;
Fitia tsy ampy toky, izay no mba fananako.
Kanefa hatram'zao dia velom-paniriana,
Tena tia anao fa saingy hitia mangiana!...

"...ITY IANAO RY TIANA!",
Dia tena sahinao a!
Gafy tsotr'izao!.

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
1122 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015