You are here: home > Vetso

"MAHANTRA NY HAVANAO!" - IaroMalala

Nampiditra : IaroMalala
Daty : 13/04/2013
Mpamangy : 238
Isa : 0



MAHANTRA NY HAVANAO!

Malala a!,

Tsy mpanjaka nge ny foko e!,
ka tsy mendrika ahy ny angola.
Fa mpangataka eny an-dalana
tsy manan-kaja dia voarora....

Tsy irony be harena
mpanefoefo sy malaza....
Fa mpiandry vavahady
zatra gidra sy kotaba.....

Mafy ady ny havanao ,
mpitrongy bozaka an-tanety....
Ka raha toa tsy sitrakao, dia:
Mitadiava metimety e!...

Tsy mba mpanenjika lamaody,
na mpiangaly ny hatsaràna...
Ka tsofin-drano ianao Rahavako
raha toa ka tsy tamàna a!....

               IaroMalala
             "Aprily-2013"

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha