"TIAVO FOTSINY AHO!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAVO FOTSINY AHO!"

Raha hotereko ianao hitia, dia:
Mety ho tia fa alasafay.....
Raha ho hataoko baranahiny:
Mety hampirafy indray.....

Moa raha ataoko hoe Safidy, dia:
Mety hiantsampy bitro roa....
Ary ny fitia anao
Ho hafahafa be tokoa....

Ka tsy hitako Malala a!
Manahirana ahy ianao....
Fa "TIAVO FOTSINY AHO" dia:
Ataovy izay tinao kah!....

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1021 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103