INY POETA... (valin'iny Ankamantatra zazah ) (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY POETA... (valin'iny Ankamantatra zazah )

Trombam-pitia ireny, no vetson'ny fony
ka toa tsy ho hainy raha tsy hanoratra intsony
fa na ngidy am-bahona na tantely mamy
dia satriny foana ho soratana ihany

dia toy izany...

fa tonga ny ainga anaty fisiana
dia voasorany eo koa ireo faniriana
ny lasa nivalona ataonao ho tantara
fa aminy ireny no lasa amboara

d'izay lay poeta...

hafa tsy toy ny olon-drehetra
fa nomen'Andriamanitra ainga ho talenta
ny saina mamoaka ny sary ho sodoko
ny tanany manoratra ainga miloko

satria... zany mihitsy

reo aingam-panahy tsy mety midify
tsy fanahy hafa na embona mihoatra
fa tao am-pony reny no lasa mitroatra
hanjary diapenina ho rangotin'ny penina

d'izay fotsiny ihany

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
727 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJY
Nampiditra : iavotraina
Daty : 28/08/2014 14:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137