FA NAHOANA?? (ihafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo vao namoa,
nantenaina hampifaly
firavoan'izany fo
nosaromana sahady!!

nokasaina mba hamelana,
mba nirina ho tongasoa
saingy indrisy nosomparana,
ka nihinjitra ny tanany
namela ilay malalany!

fa nahoana no mimaona?
anaty lohataona?
fa nahoana ny tany,
no madisa feno ratra?
rako-tsento sy tomany!
mahavaky izany tratra!!
fa nahoana,izany saiko
no manetsika tsiahy?
dia ilay havantina,norombosin-drangolahy?
fa nahoana,fa nahoana
no mivetso izany saona?
fa nahoana re indrisy,
ireo zava-misy??
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
1193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ihafatra
Nampiditra : ihafatra
Daty : 23/04/2015 18:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141