Ho tsiahy (ihafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona maro lasa
No niainanao ry nofo
Zava-maro ireo voakasa
Ka ho zary vy nihofo

Tantara maro no navalonao ry minitra
Na fahendrena,na hakivina,eny fa na ny ditra
Dia nasainao difina
Eny fa na ny oran'ireo tiana

Vitanao ny namalina ireny
Fa raha ny tantaran'ireo lasa
Ho vinaky ka ho jery
Ho voatahiry tsy ho voasasa

Fa ho tsiahy ny omaly
Tsy ho levona ts akory
Fa na ny fifaliana eny na jaly
Tsy ho faty fa matory
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1112 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ihafatra
Nampiditra : ihafatra
Daty : 16/02/2015 14:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155