NY OMALY (ihafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
erikerika manify
volon'andro toa izao,
ny omaly nolalovana
ka nitahiry fahatsiarovana

iny izaho sy ianao
ravoravo miara-dia
nalaina hifandao
satria samy tia

fa ankehitriny anefa ny
elanelan-tany
no nampisaraka ahy sy ianao
dia mivetso hatrany hatrany
no sisa azoko atao
satria mbola tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1348 0
Hevitra mandeha
vounji ( 21/02/2015 18:01)
ny lasantsika

ny lasantsika omaly
toa mitambolona ato an-tsaiko
iny izaho sy ianao niara-paly
toa latsaka lalina amin'ny aiko

raha mahatsiahy ny lasantsika
dia toa tsy ho faty intsony
fa toa sary indray mipika
ilay izaho nambabo ny aty fony

ny lasantsika sy ny omaly
tsy hadino velively sanatria
fa mbola hihaona ka samy hifaly
hisafononoka fitia
ihafatra ( 09/03/2015 19:20)
fanirina tokoa
ny mbola ahitanao
andrandraina mba ho toa
ilay nofinofy nampifo

mba iriko ianao ry anjara
tsy hisopatra ny dina
ka tsy ratsy fa ny tsara
no hanohy ny fahiny
ho ahy sy olona iny
vounji ( 10/03/2015 03:50)
ianao tokoa mantsy iny
ry ilay olon-tokako finidy
iny lasantsika iny
efa rakitra ho tadidy

koa raha zay elanelan-tany
tsy hatao hampifararemotra
ho roso izany diako izany
ka sanatria ny hoe hihemotra

ireo nofinofinao taloha
tsy ho nofinofy intsony
fa ho tanteraka sy ho tò
ilay ianao hahatsapa ny aty fony
vounji ( 10/03/2015 03:50)
ianao tokoa mantsy iny
ry ilay olon-tokako finidy
iny lasantsika iny
efa rakitra ho tadidy

koa raha zay elanelan-tany
tsy hatao hampifararemotra
ho roso izany diako izany
ka sanatria ny hoe hihemotra

ireo nofinofinao taloha
tsy ho nofinofy intsony
fa ho tanteraka sy ho tò
ilay ianao hahatsapa ny aty fony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ihafatra
Nampiditra : ihafatra
Daty : 20/02/2015 19:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195