RANO,,,, (ihafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony aho vaotonga
Teto an-tany
Dia nikika nitomany

Ny ranomaso no nikorisa
Rehefa tsaroana ilay adrisa sara-tiana
Ka tomany mangina

Iazaina ihany koa
Fa ny rano dia soa
Mamelona,mandio
Kanefa dia hitsio
Fa mamono koa izy io!

Dia jerena ankehitriny
Fa rano etsy sy eroa
Ka tadidy ny fahiny
Ilay safo-drano nisy

Koa mba firy ny hisaina
Ny antony izao
Fa mijaly mitaraina
Izao tontolo izao!
--------
Rohy:
1300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ihafatra
Nampiditra : ihafatra
Daty : 05/03/2015 17:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139