Mbola ito (Ikalamako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ito ilay fitia
Nofeheziko ho amboara
Nangalako vorombý
Tamin’ny fetinao, malala.

Mbola tsisy nanombinana
Mbola manitra aok’izany
Ka na rivotra na inona
Tsy nahasimba ny hatsarany.

Ilay fitia nafonja omaly
R’hampitso mbola hakadiry
Tsy rohizina amin'ny tady
Fa tia sy tiana mifaniry.

Mbola ianao no mpanjakany
Na dia any lavitra aza
Ny masonao no itarafany
Izay rehetra tsy voalaza

Ka raha hitsingerina ary
Ny andro nahaterahanao
Dia mbol’ ito ilay amboara
Feno toky miha-vao.



29 janoary 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
887 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098